Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Rallye Total FMMSAM : hisantatra azy ny «ES» amin’ny alina

$
0
0

 Hotontosaina ny 15 – 17 mey izao ny “Rallye Total”, karakarain’ny klioba FMMSAM. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hiavaka, tsy toy ireo rehetra teo aloha, ity andiany ity satria hisantarana azy ny dingana manokana “ES”, amin’ny alina ny andro voalohany : ny zoma 15 mey izao. Hotanterahina eo amin’ny PC Andohatapenaka, izany. Hirefy 2 km ny halaviran’izany lalana izany.

Ankoatra izay, miisa 11 ny isan’ny “ES”, amin’ity “Rallye Total” ity, izay mirefy 124, 60 km. Nihena izany raha oharina ny tamin’ny taona 2014, izay nanana halavirana 190, 60 km. Mirefy 324, 49 km kosa ny totalin’ny halavirana. Niova koa ny “coefficient”-n’ity rallye ity satria tsy 1, 2 fa 1.

Afaka mamerina ireo ekipazy miala an-daharana, saingy tsy amin’ny andro nahavoa azy izy no miditra an-tsehatra fa ny ampitson’iny. Ny andro faharoa, ny tena goavana tanterahina ny asabotsy, satria mahatratra efatra ny isan’ny “ES”, tsy maintsy vitain’ny mpifaninana. Hanomboka ny alakamisy 30 avrily izao ny fisoratana anarana ary tsy hifarana raha tsy ny alatsinainy 11 mey izao. Ny asabotsy 9 sy ny alahady 10 mey izao kosa ny fanaovana ny “reconnaissance” ho an’ireo mpanamory rehetra. Marihina fa ferana ho 45 ny mpandray anjara amin’ity “Rallye Total” FMMSAM ity.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697