Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Fed-518 tapitrisa euros : nosafidina ny any avaratra, atsimo sy Atsimo Atsinanana

$
0
0
Fed 23 avr

 Nanaovana atrikasa, omaly tao amin’ny Carlton, ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina (Fed faha-11). Niaraka tamin’izany ny avy amin’ny sampandraharaham-panjakana isan-tokony notarihin’ny minisitry ny Vola sy ny tetibola, Rakotoarimanana François M. niaraka tamin’ny sehatra tsy miankina samihafa. Vola 518 tapitrisa euros no hoentina hanatanterahana ny Fed faha-11, nanomboka ny tamin’ny taona 2014 hatramin’ny 2020. « Be loatra ny fahantrana eto Madagasikara, ka nankatoavin’ny UE izao famatsiam-bola izao hanatanterahana tetikasa maro any amin’ny faritra avaratra, atsimo ary ny faritra Atsimo Atsinanana », hoy ny masoivohon’ny UE, Antonio Sanchez-Benedito. Andrasana ny fandraisana anjaran’ireo sehatra tsy miankina miara-miasa amin’ny fanjakana (3P).

Ny fanjakana malagasy kosa, hanao ezaka ho fampitomboana ny vola miditra avy amin’ny hetra sy ny fadintseranana”, hoy ny minisitry ny Vola sy ny tetibola, “Ny amin’ny fadintseranana izao, efa ahitana fahatsarana, saingy ny olana, mihena ny entana miditra avy any ivelany”, hoy ihany ny minisitra. Momba ny fotodrafitrasa, 10 % ihany ny lalana azo ampiasana manerana ny Nosy ; mitaky ezaka betsaka ny amin’ny angovo azo havaozina.

Koa nofaritana ho laharam-pahamehana, nitovizan-kevitra tamin’ny mpamatsy vola, ny fotodrafitrasa, fambolena, angovo, fizahantany. Samy mety hitrandrahana izany avokoa ny any amin’ireo faritra voalaza ireo. 97 tapitrisa euros tamin’io vola io, efa nomen-dry zareo Eoropeanina tamin’ny taona 2014 ho fanampiana ny tetibolam-panjakana.

R.Mathieu


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Trending Articles