Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Vita sonia ny fifanarahana : niravona ihany ny olan’Ambatovy

$
0
0

Nifanaraka ! Niverina tany Toamasina ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa, Maharante Jean de Dieu ny talata 21 avrily teo, taorian’ny dia nataony ny herinandro lasa teo. Nanotrona azy koa ny minisitry ny Indostria, Rafidimanana Narison. Anton-dian’izy ireo ny fikarohana vahaolana manoloana ny fitokonana nataon’ny mpiasan’Ambatovy, efa andro vitsy izao. Nisy ny fihaonana tamin’ny solontenan’ny mpiasa, ny lehiben’ny Faritra Atsinanana ary ny solontenan’ny mpampiasa ao amin’ny orinasa Ambatovy.

Nisy ny marimaritra niraisana, ary niafara tamin’ny fifanarahana nanaovana sonian’ny andaniny sy ny ankilany. Azo inoana fa hiverina hiasa ny mpiasa ary voaresaka avokoa ny disadisa na ny tsy fitoviam-pijery teo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Tsiahivina, fa anisan’ny notakian’ny mpiasa ary nahatonga ny fitokonana ny hijerena ireo mpiasa malagasy miasa ao amin’ny orinasa, ny fanomezana ny zon’izy ireo.

Etsy ankilany, manaja hatrany ny lalàna manan-kery momba ny asa ny mpampiasa ao Ambatovy, ary nanaiky hatrany amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiraharahana. Niditra an-tsehatra ny fanjakana tamin’ny alalan’ny fahefana sy tompon’andraikitra mahefa ary niafara tamin’izao marimaritra niraisana sy vahaolana izao. Tsiahivina fa lasa vokatra aondran’i Madagasikara voalohany ny nikela, ka nampiakatra ny fampidirana ny vola vahiny ho an’i Madagasikara.

Njaka A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697