
Nodimandry ny alin’ny talata hifoha alarobia teo Razafimisa Ketaka, tovovavy vao erotrerony, tsy zovina intsony amin’ny mpankafy sarimihetsika malagasy, indrindra ireo mpanaraka tsy tapaka ny « Festival Rencontres du film court » na ny RFC.
Iray amin’ireo horonantsary fohy miisa 16 voafidy hiatrika ny fifaninanana mandritra ny RFC andiany faha-10 ny sanganasan-dRazafimisa Ketaka, mitondra ny lohateny hoe « Her little piece of heaven ». Ao amin’ny sokajy « fiction » no misy azy.
Raha tsiahivina, nanomboka ny 17 avrily teo ity « festival » ity ary vao omaly no nandefasana ireo horonantsary “fiction” ka anisan’izany ny an’ity andriambavilanitra ity. Indrisy anefa, tsy afa-nanatrika izany akory izy. Marihina fa mbola mifamahofaho be ny antony nahafaty azy. Ao ny milaza fa namono tena izy ary eo am-panaovana ny fanadihadiana sy famotorana mikasika izany ny polisy.
Raha ny nambaran’ny mpikarakara ny RFC, nentina sahady nanomezam-boninahitra sy nahatsiarovana azy ny hetsika natao omaly tetsy amin’ny IFM. Efa niomana ny amin’ny hahamaro ny tonga hanatrika ny fandefasana ireo horonantsary moa ny mpikarakara ka, ankoatra ny tao anaty efitrano, nametrahana « écran » lehibe koa tety ivelany, hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy.
Efa intelo nandray anjara tamin’ny RFC Razafimisa Ketaka
Fanintelony izao no nandraisan-dRazafimisa Ketaka anjara tamin’ny RFC. Efa fanindroany kosa ny horonantsariny no voafidy hiatrika ny fifaninanana. “Fashion victim” no lohatenin’ilay sarimihetsika voalohany, nifaninana tao amin’ny sokajy “fiction”, tamin’ny RFC andiany fahavalo.
Manan-talenta amin’ny fanatontosana horonantsary ary vonona ny hanaporofo izany Razafimisa Ketaka. Vavolombelon’izany ny tsy fisalasalany nandray anjara intelo tamin’ny RFC na dia tovolahy avokoa aza ny mpifaninana taminy.
Heverina fa mbola hisy hetsika hafa enti-mahatsiaro ity kintana vao mamiratry ny sarimihetsika ity.
Landy R.