Nanomboka, afakomaly, ny fanadihadiana ilay raim-pianakaviana namono nahafaty ny zanany, ny 10 avrily lasa teo tany Vohibato Andranomahasoa Avaratra, faritra Matsiatra Ambony. Araka ny fanazavan’ny zandary, novonoin’ilay raim-pianakaviana tamin’ny fomba feno habibiana ny zanany satria nahitana diam-pamaky miisa efatra tamin’ny vatan’ilay niharam-boina. Nampihoron-koditra ny nahita ny razana. Hatreto, tsy mbola fantatra ny antony nahatonga ilay raim-pianakaviana hamono an-janany toy izao. Voasambotra avy hatrany izy taorian’izay. Niaiky anefa izy fa namono nahafaty ny zanany, saingy aorian’ny fanadihadiana ataon’ny zandary no ahafantarana ny marina rehetra mikasika ity raharaha vonoan’olona ity.
Zary lasa fomba ratsy fanaon’ny ray aman-dreny sasany indray, tato ho ato; ity mamono zanaka ity.
Ireny niaraha-nahita ireny ilay fatin-jazakely narian-dreniny tao anaty tatatra eny Andafiavaratra Ankadikely Ilafy, afakomaly. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
J.C