Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70706

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka : tovovavy mpanampy an-trano nangala-bola 1 400 000 Ar

$
0
0
Toamasina23.4.15

 Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay tovovavy 18 taona mpanampy an-trano tao amin’ny tokantrano iray ao Mangarivotra Atsimo parisela 21/53, Toamasina. Tratra nangala-bola mitentina 1 400 000 Ar niaraka tamin’ny lamba sy kiraro ary firavaka volamena izy, ny asabotsy teo, raha ny fanazavana voaray. Voalaza fa teo am-pikononkononana ny handositra ny tranon’ny mpampiasa azy no nisy olona nahatsikaritra izy ka nampilaza tamin’ny mpampiasa azy. Raikitra ny fisavana ary mbola hita tany avokoa ny volabe rehetra.

Tezitra avy hatrany ny fokonolona teo an-tanàna nahita ny fihetsika nataon’ity mpanampy ity. Na teo aza anefa izany, niezaka niaro azy hatrany ny mpampiasa mba tsy hanaovan’ny olona fitsaram-bahoaka. Nilaza ireo mpampiasa azy fa anisan’ny olona tena natokisana izy ity, saingy nivadika tamin’ny ora farany.

Tsy azo antoka ny olona, koa aoka ho mailo hatrany amin’ireny mpampiasa ireny.

Sajo


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70706

Trending Articles