
Tanterahina etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny 20 ka hatramin’ny 24 avrily izao ny “Tsenaben’ny boky”. Hetsika fanaon’ny fikambanana Mampiely Baiboly eto Madagasikara (FMMB) sy ny fikambanan’ny mpanonta boky eto Madagasikara (AEdiM) isan-taona. Hikendrena ny rehetra ny hetsika amin’ity taona ity satria ankoatra ny mpikarakara, ho tonga eny an-toerana ny federasion’ny mpikanto teny sy soratra (FMTS) sy ny sendikan’ny mpanoratra. Ho zary fihaonan’ny mpamaky, mpanonta boky, mpanoratra ary ny sendikà ny eny Antaninarenina ao anatin’ireo andro ireo.
Ho avy eny an-toerana isaky ny amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 10 ora sy sasany maraina ny Havatsa-Upem, Faribolana Sandratra, Vondron’ny mpanao tantara, Madagaslam, vondron’ny mpikabary ankehitriny, korirakanton’ny haisoratra malagasy. Hampahafantatra sy haneho ny fahaiza-mifehy ny sehatra misy azy (antsa tononkalo, tantara fandefa amin’ny Radio, slam, kabary…) ny tsirairay.
Faranana amin’ny loabary an-dasy lehibe ny hetsika ny 24 avrily izao. Fotoana hanazavan’ny mpanonta boky ny anjara toeran’izy ireo manoloana ny rohim-boky. Hohazavaina amin’io koa ny fomba fahitan’ny mpanoratra ny mpanonta boky. Ny zavatra ifampiandrasana, sns.
HaRy Razafindrakoto