Notokanana, omaly, ny ivontoeram-pamakiam-boky ho an’ny EPP Iavoloha ka nanatrika izany ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery mivady. Nanolotra fitaovana marobe sy kojakoja manokana ho an’ny EPP izy ireo nandritra ny fitsidihana nataony. Tao ny seza, fitaovam-pianarana samihafa ho an’ny mpianatra ao amin’ny kilasy 7ème. Nisy baolina koa ho an’ny mpianatra sy ordinatera, fahitalavitra ho an’ny ivontoeram-pamakiam-boky. Mbola nahazo kilalao koa ny kilonga madinika ao amin’ny préscolaire hanitarana saina.
Ankoatra ny fampitaovana, nasiana fanavaozana ny efitrano fianarana valo satria efa simba.
Mampivelatra ny mpianatra ny fisian’ny toeram-pamakiam-boky satria tsy mahavita mividy boky intsony ny ray aman-dreny ka any an-dakilasy no manarina izany ny mpampianatra.
Efa maro ny ivontoerana, tahaka izao, nampitaovan’ny vadin’ny filoham-pirenena hatramin’ny taon-dasa manerana ny Nosy.
Mivoatra rahateo ny toerana famakiam-boky satria afaka mijery fandaharana fibeazana natokana ho azy ny kilonga madinika.
Nanomboka omaly koa, nanatrika ny lanonana fisantarana ny tetikasa « women for water and sanitation » any Washington ny vadin’ny filoham-pirenena.
Vonjy