
“Andrianiko ny teniko satria itoriko ny Vaovao Mahafaly”. Tsy zary teny filamatra fotsiny ho an’ny fikambanan’ny mpikabary katolika (Mpikalo) io fa tanterahina sy iainana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fampianarana. Hanatanteraka fianarana Baiboly eny amin’ny fiangonana Ekar Ambohimirary ny Mpikalo rehetra ato anatin’ny diosezin’Antananarivo, ny tontolo andron’ny alahady 19 avrily izao. Mahatratra 450 eo ho eo izy ireo. Mpikabary hivoaka amin’ny 1 aogositra izy ireto raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra ihany.
Hetsika anisan’ny mampiavaka ny Mpikalo ihany koa ny fanatanterahana fihatahana masina izay hotanterahina aorian’ny fianarana Baiboly. Arahina fampivondronana faobe sy fanadinana iombonana izany. Ankoatra ny mpianatra, hanotrona eny an-toerana avokoa ny mpampianatra any anivon’ny rantsana sy ny distrika.
Raha ny re nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2015, hotanterahina ny volana mey izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Mpikalo nasionaly.
HaRy Razafindrakoto