
Toy ny fanaony isan-taona. Hifamory sy hihaona etsy amin’ny foiben’ny Omda Faravohitra, rahampitso tolakandro manomboka amin’ny 2 ora, ny eo anivon’ny Vondron’ny mpiangaly tantara amin’ny onjampeo (VMT).
Anisan’ny horesahina sy hifampidinihana amin’izany ny fanaovana jery todika ny zava-bita teo aloha, indrindra fa ny tamin’ny taon-dasa.
Fa eo koa no hanaovana tombana ny ho avy, eo amin’ity tontolon’ny filalaovana tantara amin’ny onjampeo ity.
Hitondran’ny mpitarika fanazavana amin’io fivoriambe io koa ny nanovana ny anarana ho VMT.
Tsiahivina fa efa maro sy miroborobo izao ireo tanora vao misandratra, ankoatra ireo efa andrarezina amin’ny filalaovana tantara amin’ny onjampeo eto amintsika. Mbola manana ny toerany rahateo eo amin’ny mpihaino onjampeo ny tantara. Manaporofo izany ny fahamaroan’izy ireny mandefa tantara mitohy na indray miseho amin’izao fotoana izao.
Hofaranana amin’ny fiarahana miala hetaheta ity fihaonambe ity.
Synèse R.