
Ireo traboina sy namoy ny ainy noho ny rivodoza Chedza no nalaza tato ho ato. Mbola goavana noho izany anefa ny voina mitranga any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Any Beliky, anjatony izao no efa namoy ny ainy, hatramin’ny fiandohan’ny taona, noho ny haintany mamely mafy dia mafy.
Mamely ny mosary any atsimon’ny Nosy. Efa anjatony ireo olona matin’ny hanoanana hatramin’ny volana janoary lasa teo raha ny tatitry ny rantsa-mangaikan’ny BNGRC any amin’ny faritra. Tsisy vokatra azo hanina any an-toerana.
Tsilon-draketa no hany sisa foto-tsakafo. Tsy mbola matoy akory aza ny voan-draketa dia efa hifandrombahana ny mihinana azy. Ny sasany efa manomboka mihinana ny masomboly tokony hampiasaina amin’ny taom-pambolena manaraka. Maina ny tany, mosarena ny mponina. Analiny ireo tratran’ny tsy fahampian-tsakafo.
Vidian-dafo ny rano sotroina. Vidina 400 Ar ka hatramin’ny 1.000 Ar ny rano iray daba mavobe ireny. Mandeha kilometatra maro ny sarety maka rano hamidy ao an-tanàna. Na ny omby mitarika ny sarety aza reraka noho ny tsy fisian’ny sakafo.
Voatery tsy maintsy miala ny tanàna ny olona mitady izay harapaka. Maherin’ny 3.000 ireo fianakaviana efa lasa nifindra monina vokatry ny mosary any an-toerana raha ny tatitry
ny rantsa-mangaikan’ny BNGRC ihany. Malemilemy ireo zaza amam-behivavy indrindra ireo mitondra vohoka.
Ankoatra izany, mamely ny aretina tiberkilaozy vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny vatana reraka sady tsy ampy sakafo ka mora andairan’aretina ny vatana. Raha tsy mirotsaka ao anatin’ny roa herinandro ny orana dia tena hiha-mafy ny fahavoazan’ny mponina any atsimon’ny Nosy.
Mamolavola paikady ny BNGRC
Hatry ny omaly, mikaon-doha amin’ny famolavolana paikady hiatrehana ny haintany any Atsimo ny ao amin’ ny BNGRC miaraka amin ’ny ONN sy ny mpiara-miasa. Eo am-panangonana ny atontan’isa ihany koa izy ireo ankehitriny
Raha ny tatitra, amin’ny alakamisy vao hisy ny fidinana an-tsehatra any Atsimo. Hanomboka eo Ampanihy, Beloha, Amboasary Atsimo, Ambovombe Androy ary Tsihombe ny fitiliana andiany voalohany hatao.
Hiova miandalana manaraka ny zava-misy anefa izany faritra hojerena manokana izany. Na izany aza, misy ny tohana avy amin’ ny BNGRC amin’ireo distrika tena voa mafy izay hanomboka ny alakamisy izao koa ny hetsika fanampiana any an-toerana.
Hatomboka eo amin’ny faritra Ambovombe sy Beloha ary Tsihombe hatrany Fort Dauphin izany. Raha ny filazan’ny tompon’andraikitra hatrany, afaka 14 andro vao tena hisy atontan’ isa mazava hivoaka mikasika ny fahavoazana amin’ ity mosary any atsimon’ny Nosy ity.
Tatiana A