
Ataon’ny andro ratsy sy ny rivodoza fahirano i Madagasikara. Vao tsy niafana ny takaitra navelan’i Chedza, mamely sahady ity ny ora-mikija ateraky ny andro ratsy mitoetra ao amin’ny lakandranon’i Mozambika ao. Vokatr’izany, mihiboka anaty tsy fisiana ny Malagasy, voafonjan’ny fahantrana tsy fidiny. Manao ariary zato am-pandriana sisa ny sasany, ny hafa manao « revin-gadra » sy nofy antoandro : « raha mba izahay mantsy no tsy nipetraka tety amin’ny faritra iva… ohatr’izay mba tsy traboina ». Izay ilay fiainana, misy ny ambany tanàna, eo ny anaty lapa ambony seza. Samy voagadran’ny filàny sy ny tombontsoany.
Kere noho ny haintany ny any atsimo raha toa ka tondra-drano ny eto afovoan-tany. Izay ilay fiainana e ! Samy voafehin’ny faritra misy azy. Dia mety hanjaka indray koa ny « revin-gadra » amin’ny hoe « inay anie izahay mba nonina tany amin’ny tany be orana, ohatr’izay mba nisotro rano ».
Ho nofinofy anaty fahantrana hatrany ny fiainan-dRamalagasy. Takaitra navelan’ny krizy novolen’ny mpanao politika avokoa izany. Kilalao politika maloto no manjaka eto amin’ny firenena hany ka ny vahoaka hatrany no mijinja ny vokany. Dia ilay vahoaka atao vato tsindry ahazana, vita ny nilana azy dia natsipy tsy narahi-maso intsony izay misy azy. Izay ilay politaka e ! Ireo mitonona ho gadra politika ity mitaky onitra amina miliara amin’ny fanjakana. Tsy tena mazava anefa ireo na gadra politika marina na mpanao politika migadra noho ny raharaha hafa fa tsy noho ny firehana politika. Raha lazaina tsotsotra mantsy ny hoe gadra politika dia ireo mpanao politika naiditra am-ponja noho ny resaka politika. Ny tena mpanao politika koa anie tsy matahotra ny higadra izany e ! Ao anatin’ny fanaovana politika daholo izany. Fa amin’ity fitakiana onitra mihoapampana ity, toa manao « revin-gadra » ihany ry zareo. Ny firenena ity difotry ny fahantrana, tsy ampy vola hoenti-miasa, nefa ny onitra angatahin’izy ireo, mihoatra ny antonony.
Sarobabay, izay voa aza tezitra.
Andry Fenomanana