
Tsy nahafaka olana ny minisiteran’ny fiompiana ny fanovana ny mpitantana azy fa vao mainka nampitombo aretina.
Tody hatrany amin’ny hena mihitsy ny resaka, amin’izao fotoana izao, fa tsy nianona tamin’ny omby fotsiny intsony. Nitroatra noho ny fampiatoana tampoka ny orinasa nivelomany ireo mpiasa aman-jatony maro avy tao amin’ny toeram-pamonoana ombin’ny sinoa teny Vontovorona, omaly. Hafa, ary naloto mihitsy mantsy, no fandraisan’ny mpiasa madinika iny fanapahan-kevitry ny miniositra vaovao iny satria tahaka ny efa voaomana mihitsy. Sahabo ho roa andro taorian’ny fotoana nandraisany asa monja, araka ny kajikajin’ny mpiasa, no namoahany ny taratasy fampiatoana ka tsy nisy azo nandrasana intsony.
Fanerena ny mpandraharaha hifanaraka aminy avy hatrany iny tranga iny, hoy ny rehetra teo am-pahenoana ny zavanisy. Tsy hikatona maharitra io fa miankina amin’ny fahavitan’ny fifanarahana vaovao, hamelona ny marimaritra iraisana eo amin’ny minisitra mpiahy sy ny orinasa mivelona ao ambany elany fotsiny, hoy izy ireo. Tsy nahandry ny fanatonan’ny sinoa tany aminy ny lehibe, hoy izy ireo, ka nandrirotra avy hatrany, hanenjanana ny tady mamatotra azy ireo. Fanao efa fanta-bahoaka nefa odian-tsy hita hatramin’izay ihany ny fiarahabana ny mpitondra vaovao ataon’ny mpandraharaha miasa ao anaty sehatra iadidiany. Ny lehibe no miady, amin’izao fotoana izao, ka ny madinika no voaporiporitra.Very tombontsoa mbamin’ny kaominina, hoy ny fitarainan’ny ben’ny tanàna tao an-toerana.
Tsy rariny tokoa raha sanatria, ady ranon-kena marina, no hanaovana sorona fianakaviana Malagasy an-jatony fa enga anie tsy ho izay. Taorian’ny fihetsehana nilanjan’ireo mpiasa sora-baventy nitsipahana ny heviny vao nampanantena ny hisokafan’ny orinasa tsy ho ela ny minisitra. Saika ho diso aoriana ihany anefa ny fanazavany satria efa niandry poritra vao… ka ho fatin-kena kely no hiafarany.
Manou