Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70397

Fampianarana ambony : milamina ny oniversite ao Mahajanga

$
0
0
SONY DSC

Afaka ny krizy nampisamboaravoara ny oniversiten’i Mahajanga, ankehitriny.

Namoaka mpianatra 452 ny Ivon-toeram-pampianarana ambony momba ny Fitantanana na Institut Universitaire de Gestion et de Management (IUGM) tao anivon’io toeram-pampianarana ambony io, ny faran’ny herinandro teo. Nahavita ny «Formation Théorique Académicienne» ary nahazo ny mari-pahaizana Technicien Supérieur en Gestion d’entreprise ny andiany Volamahitsy, nivondronan’ireo mpianatra taona faha-2 miisa 319. ka Notolorana ny mari-pahaizana Licence professionnelle kosa ny mpianatra taona faha-3 miisa 133 tao amin’ny andiany Tsarahofana, nahavita ny fiofanana arak’asa momba ny Finance-Comptabilité, Ressources Humaines, Progiciel de Gestion Intégré .

Ny Profesora Ravolamanana Lisy, filoha mpanatanteraka vonjy maika ny Oniversiten’i Mahajanga, sy ny Profesora Rabesa Zafera Antoine, filohany teo aloha, izay samy mpampianatra ao no reny sy ray mpiahy tsirairay avy ireo andiany roa ireo. Notsiahivin’ireto mpanabe ireto fa nisedra olana isan-karazany ny IUGM hatramin’ny niforonany tamin’ny 2001. Niditra herintaona nialoha ny krizy tao anivon’ity oniversite ity kosa ireto andia mpianatra vao nivoaka ireto ary niaina tanteraka tao anatin’izany hatramin’ny farany mihitsy.

NIsolo tena ny lehiben’ny faritra, nanome voninahitra ny lanonam-pamoahana ireto mpianatra ireto ny talen’ny kabinetrany, Hemedy.

Manou


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70397

Trending Articles