Anaty fikarakarana ny fizarana karatra ho an’ny mpanao asa tànana matianina ny Antenimieran’ny asa tànana eto Antananarivo, amin’izao fotoana izao.
Hanamorana ny fampivelarany ny asany sy hahafahany miroborobo kokoa no anton’izao fanisana izao, araka ny fanazavan’ny filohan’io antenimiera . Fitaovana hahafahany manaraka maimaim-poana amin’ny fampiofanana rehetra karakarain’ny antenimiera io kara-panondroana io ary hahazoany mandray anjara maimaim-poana amin’ny hetsika ara-barotra sy fampirantiana isan-karazany, araka io fanazavana io.
Efa nihoatra ny folo taona ny fanisana ny mpanao asa tànana teto Madagasikara farany ka mandiso ny kajy ampiasaina amin’ny tetikasa isan-karazany hoenti-mampandroso ity seha-pihariana ity. Saika avy amin’ny asa tànana avokoa mantsy ny 12%-n’ny harin-karem-pirenena eto amintsika ary sehatr’asa ivelomana fianakaviana maro izy io.
Manou