Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70397

Fampitantanana tsy miankina ny Jirama : nilefitra nanoloana ny sendikà ny mpitantana

$
0
0
DSC_4476

Naato ny fiantsoana ny tsy miankina hitantana (appel à manifestation d’intérêt) ny foibe famokarana herinaratry ny Jirama ao Mandroseza sy ny any Volobe-Toamasina.

Nampahafantarin’ny foibem-pitantanana ny orinasa nandritra ny fihaonana niantsoany ny farimbon-tsendikaly avy eto Antananarivo sy Toamasina ary ny solontenan’ny mpiasa teto Antananarivo io fanapahan-kevitra io, ny alatsinainy teo. Lohahevitra fototry ny fifanolanana faobe naroso teo anatrehan’ireo mpitantana ny orinasa Jirama nandritra ny fifampidinihana teny Ambohimanambola tamin’io fotoana io ny fitakiana ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny jiro sy ny rano. Takian’ny mpiasa ny hanaovana fitsirihana (audit) ny fifanarahana fividianana herinaratra amin’ireo orinasa tsy miankina, mpamatsy amin’izao fotoana izao, sy ny fanofana milina famokarana herinaratra aminy. Tsy neken’ny mpiasan’ny Jirama koa ny antso nalefa amin’ny tsy miankina amin’ny fitantanana ny foiben-jiro ao Mandroseza sy Volobe, ary notakiany ny handraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra amin’ny famahana ny olan’ny orinasa Jirama.

Mbola misy olana tsy voavaha

Azo nivantana tao anatin’ny fihaonan’ny andaniny sy ankilany io fanambarana fanafoanana ny antso hitantanan’ny tsy miankina ny foibe famokarana herinaratra roa io. Nampahafantarin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny foibem-pitantanana ny orinasa Jirama tamin’io fihaonany tamin’ny mpiasa io fa tsy maintsy ho dinihina miaraka amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo ireo fitakiana hafa.

Efa nohazavain’ny farimbon-tsendikaly hatrany am-piandohana fa nanapotika ity orinasa ivelomany ity ny ankabeazan’ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana tany aloha ka tsy maintsy ovaina, hanamorana ny fanarenan’ny Malagasy ny Jirama.

Manou


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70397

Trending Articles