“Fanabeazana ho olom-pirenena vanona maneho ny fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny fananganan-tsaina”. Io no lohahevitra nentina nanatanterahana ny hetsika fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny fampakarana ny sainam-pirenena, ho amin’ity taom-pankalazana ny tsingerin-taona faha-59 niverenenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy ity. Nofaranana ny alatsinainy teo ny hetsika andiany voalohany amin’izany izay natao teo anivon’ireo ivontoeram-panabezana fototra miisa dimy teto an-dRenivohitra. […]
↧