![]()
Nifarana teo amin’ny sampanan-dalana Fenomanana, omaly, ny diabe nataon’ireo mpitolona ao amin’ny Sempama Nosy, saika hihazo ny lapan’i Mahazoarivo. Efa niatrana teny an-toerana ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo/Reg, nanakana azy ireo. Nandeha ny fifampidinihana, ka hoe solontena ihany no mahazo miditra any an-dapa, hanao ny fihaonana amin’ny praiminisitra. Tsy nahitam-bokany anefa ny […]