Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

UEFA : mbola lany ho filoha i Michel Platini

$
0
0
platini2503

 Voafidy fanintelony hitantana ny firaisamben’ny baolina kitra any Eoropa UEFA indray i Michel Platini. Nandritra ny andiany faha-39 amin’ny kongresin’ny UEFA, natao tany Vienne, omaly talata, ny nahalany azy indray. Mandritra ny efa-taona indray hitantanany izany.

Tsy nanana mpifanandrina izy tamin’ity fifidianana ity. 59 taona i Platini, ankehitriny. Ny taona 2007 ny lehilahy lany ho filohan’ny UEFA voalohany. Ny taona 2011, mbola nohavaozin’ireo firenena 54 mpikambana ny maha filoha azy, ary izao mbola nametrahan’ny rehetra fitokisana izao indray.

Raha tsiahivina, kapitenin’ny ekipa frantsay i Michel Platini. Izy mpilalao voalohany nahazo ny «ballon d’or» intelo misesy. Efa tompondakan’i Eoropa, ny taona 1984. Na teo aza ny zava-bitany teo amin’ny filalaovana baolina, tsy mbola nandrombaka ny «Mondial», mihitsy izy.

Marihina fa efa nandalo teto Madagasikara i Michel Platini, nitokana ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), etsy Isoraka, ny taona 2005.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Trending Articles