
Tsipahin’ny fikambanana foko Masikoro ny tetikasa fitrandrahana fasimainty heverin’ny orinasa Toliara Sands hatao any amin’ny tanàna misy azy ireo (Ranobe, Ankilimalinike, Tsianisiha, Marofoty, Milenaka, Ankililoaka). 84 % -n’ny mponina any amin’ireo tanàna ireo, tsy mankasitraka izany fitrandrahana fasimainty izany. Araka ny nambaran’ny fikambanan’izy ireo, omaly, nandiso fanantenana azy ireo ny fanomezan-dalàna nataon’ny ONE (Office national de l’environnement) ho an’io orinasa io. « Ahoana ny fivelomanay, ny ombinay, ny tontolo iainana ho potika daholo ary hisy fiantraikany hatrany amin’ny fizahantany sy ny jono izany. Tsy azo antoka mihitsy izany hoe io orinasa io ny hiantoka ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy izy ireo.
Raha ny fanazavan’ny fikambanana foko Masikoro ihany, tsy mitana ny andraikiny ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana mihitsy ny ONE. Koa mampahatsiahy ny ONE ny mponina any an-toerana fa izy ONE no tompon’andraikitra voalohany hanapotika ny fiveloman’ny mponina sy ny zavaboary isan-karazany any aminy. “Tsy misy mihitsy ny fanajana ny zon’olombelona noho izao fanomezan’ny ONE fahazoan-dalana hitrandraka fasimainty izao”, hoy ihany ny solontenan’ireo foko Masikoro ireo.
Manaitra ny tompon’andraikitra hafa sy ny manam-pahefana mpitondra koa ny fikambanana amina karazana tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany handripaka ny harem-pirenena noho ny tombontsoan’ny olom-bitsy. Noho izany, miantso ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra ao anatin’ny mangarahara tanteraka izy ireo, hisorohana izay mety ho loza rehetra.
R.Mathieu
CRAAD-OI* : Centre de recherche d’appui pour les alternatives de développement.–Océan Indien