Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Feno dimy taona… : manamafy ny fampahafantarana ny kanto malagasy ny ADMC

$
0
0
ADMC25MARS

 Manatontosa dingana lehibe ny fikambanan’ny « médiateurs culturels » (ADMC) amin’ny fanomezana sehatra ny karazan-javakanto sy fampiroboroboana ireo hetsika ara-kolontsaina eto amintsika.

Tanterahin’izy ireo amin’ny alalan’ny tetikasa « La médiation culturelle au cœur de l’action » izany. Entin’ny fikambanana manamarika ny fahadimy taona niorenany ihany koa izany, amin’ity taona ity.

Nanatontosa asa mivaingana avy hatrany tokoa ireo tanora mpampahafantatra ny kanto sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny fahavitan’ny fanamboarana ny biraon’ny fikambanana, eny amin’ny Oniversiten’Ankatso. Naharitra roa volana ny asa ary niverina nisokatra, nanomboka ny zoma teo, ity toerana ity. Malalaka kokoa ho an’ny fikarohana sy ny famoronana zavakanto izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Ratafika Arnaud.

Tsiahivina fa, ny taona 2011, namorona ny foibe fanovozam-baovao momba ny kanto sy ny mpanakanto mlagasy na ny Craam ny ADMC. Tafiditra ao anatin’ity tetikasa vaovao ity ny famokarana DVD 250 isa, miaraka amin’ny bokikely ka haparitaky ny foibe. Mirakitra ny mombamomba ireo hetsika lehibe miisa 12 toy ny “festivals”, tanterahina eto amintsika izany.

Misy fampirantiana miavaka eny Ankatso

Anisan’ny manamarika ny tsingerin-taona fahadimin’ny ADMC ny fampirantiana karazan-javamaneno, asa tanan’i Ledama, eny Ankatso nanomboka ny zoma teo hatramin’ny 8 avrily izao. Hisy ny fihaonan’ity mpanakanto sady mpanao asa tanana ity amin’ny mpankafy, ny 1 avrily, eny amin’ny Craam.

Tanjon’ny fikambanana ny fampihaonana ny kanto amin’ny olon-drehetra. Anisan’ny asa entiny manatratra izany ilay antsoina hoe “Art public durable” eny amin’ny Oniversite. Aranty eny ankalamanjana ny vokatry ny aingam-panahy ary maromaro ny mpanakanto mandray anjara amin’izany, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany ny mpanakanto araka endrika amam-bika, mpanao hosodoko, maritrano, sns.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles