
Najoro ao Toamasina, omaly, ny vondrom-pikambanana Talevagna hanohana ny hevitra tapaka tamin’ny fanangonan-kevitra isam-paritra ho an’ny fampihavanam-pirenena. Nampahafantarin’ny filohan’ny komity, Randrianajao Victor Gilbert, sy ny sekretera jeneraliny, Ramilison Ursula Charles Hugues, tamin’ny mpanao gazety izany.
Anisan’ny takin’izy ireo ny tsy hanovana ny ireo fehinkevitra taminin’ny fihaonambem-paritra farany teo. Anisan’izany ny hanovana manontolo ny lalàmpanorenana, ny fandravana tanteraka ny Antenimierampirenena ka hametrahana Antenimiera hamolavola lalàmpanorenana vaovao; ny fifidianana lalàmpanorenana roa na telo ; ny fametrahana fanjakana federaly na faritany mahaleo tena.
Eo koa ny fandravana ny FFM ary hapetraka kosa ny CRN, ahitana solontenan’ny ankolafin-kery rehetra sy ny foko 18. Manampy ireo ny handravana ny Cenit.
Ho tonga hatraiza izao fitakian’ny Talevagna izao manoloana ny fandravonan’ny fihaonambem-pirenena ny fehinkevitra amin’ny avrily eto Antananarivo ?
Sajo