Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Kitra – Europe : ireo ekipa valo tafita

$
0
0

 Fantatra avokoa ireo ekipa valo, tafita hiatrika ny ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2015», taranja baolina kitra. Manana ekipa telo, miatrika izany i Espaina, amin’ny alalan’ny FC Barcelone, Real de Madrid sy Atletico de Madrid. Roa kosa ny an’i Frantsa dia ny Paris St Germain sy AS Monaco. Iray avy ny an’i Alemaina dia Bayern de Munich, FC Porto ho an’i Portugal ary Juventus ny an’i Italia. Tsy manana solontena kosa ny Anglisy amin’ity.

Anio no hanatanterahana ny fisarihana hahalalana izay hifandona eo amin’ity dingan’ny ampahefa-dalana ity.

Raha ny voka-dalao farany teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana, natao ny alarobia lasa teo, mbola resin’ny FC Barcelone tamin’ny isa tokana 1 noho 0 indray ny Manchester City. Baolina tafiditr’i Rakitic, teo amin’ny minitra faha-31. Nahazo «penalty» ihany ny ekipa anglisy, saingy tsy tafiditr’i Sergio Aguero izany teo amin’ny minitra faha-78. Teo amin’ny fihaonana iray indray, resin’i Juventus de Turin tamin’ny isa 3 noho 0 ny Dortmund.

 Miary Narindra


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles