Raikitra. Hifanasa vangy eo amin’ny manasa-dalana amin’ny fifanintsanana eo amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président” taranja basikety, ho an’ny Zone Centre, Analamanga sy Atsinanana. Izany hoe, adin’ireto ligim-paritra roa ireto ny manasa-dalana ho an’ny Zone Centre, tanterahina any Toamasina, ao amin’ny kianja mitafo Soavita.
Hangotraka, araka izany, ny manasa-dalana anio. Ny Lucadro (Analamanga), hikatroka amin’ny 3FB (Atsinanana) eo amin’ny manasa-dalana voalohany ary ny Fandrefiala (Analamanga) hidona amin’ny Mega (Atsinanana) eo amin’ny faharoa. Mbola ho sarotra ny haminavina amin’izay ho tafita hiatrika ny lalao famaranana amin’ireto ekipa efatra ireto. Na izany aza, samy manana herijika hiakarana amin’ny famaranana izy ireo.
Ankoatra izay, miditra amin’ny lalao ampahefa-dalana ny any Antsirabe ho an’ny Zone Ouest. Anisan’ny ekipa tafita hiatrika izany ny SBC sy ny 2BC ary ny Serasera (Vakinankaratra). Eo ihany koa ny BBC sy BCM (Menabe) ary ny 3FB (Bongolava) sy ASB (Itasy), sns. Hiady ihany koa ny hetsika ao Antsirabe. Ny 22 marsa izao kosa ny famaranana ho an’ny Zone Ouest.
M.N.