Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Amparafaravola : tovovavy novonoina rehefa avy naolana

$
0
0

 Ny alatsinainy maraina lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora, tovovavy 18 taona no hita faty tao Ampasika, distrikan’Amparafaravola. Tonga  teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo nizaha ny razana. Nandritra ny fizahana no nahafantarana fa tamin’ny fomba feno habibiana sy tsy misy antra no namonoana ity tovovavy ity. Ny tako-kenatra nanaovany ihany no  namatoran’ireo olon-dratsy ny tendany, nahitana faritra mangana teo amin’ny foto-tsofiny havanana ary mbola nodorana tamin’ny afo ihany koa ny fifavaviany. Rehefa tsy nisy aina intsony ilay tovovavy dia narian’ireo olon-dratsy tany anaty krihitr’ala. Olona sendra nandalo no nahita ny razana tokony ho 700 metatra miala amin’ny trano fonenany. Handeha hianatra katekomena no nivoahany ny trano ny alahady atoandro tokony ho tamin’ny iray ora teo ho eo. Eo am-pitadivana ireo olon-dratsy ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao.

Tiavina  


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles