Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

VMSA : “Ilaina ny fanjakana tan-dalàna”

$
0
0

 Nivoaka amin’ny fanginany ary nanao bemidina tany amin’ny faritra. “Sarotra ny fampandrosoana ara-tsosialy sy toekarena raha tsy eo ny filaminana ara-politika. Mila fitondrana marin-toerana isika ka vonona ny Vondrona miaro ny safidim-bahoaka sy ny ara-dalàna (VMSA) hanampy ny fitondrana. Ohatra, ny fiatrehana ireo fifidianana ho avy”, hoy ny fanazavan’i Vaovao Benjamin sy Joma Ernest ary Mahavimbina Alain, ny alatsinainy teo tao Toamasina.

   Nohamafisin’izy ireo ary niraisan’ny rehetra nandaha-teny fa ilaina ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna sy ny fanjakana tsara tantana. Eo koa ny fitsinjaram-pahefana tena izy ary ny fampihavanam-pirenena.

Namaha olana ny ranobe ao Toamasina

 

Ankoatra izany, namaha olana izy ireo ka nitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ny vahoakan’i Toamasina noho ny tondra-drano tany an-toerana ny VMSA, nanolotra fitaovana fitrohana rano (motopompe) miisa roa sy ireo kojakoja miaraka aminy ho an’ny faritra Atsinanana.

Nandray izany kosa ireo tompon’andraikitra isan-tokony any an-toerana, toy ny sekretera jeneralin’ny faritra, ireo lehiben’ny distrika sy ny kaominina, ny avy amin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny kaominina Toamasina ary ny eo anivon’ny BNGRC.

     Tsiahivina fa 37 mahery izao ireo antoko sy fikambanana politika mivondrona eo anivon’ny VMSA.

Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles