Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Betroka : dahalo 13 no maty tao anatin’ny 30 andro

$
0
0

 Iray volana izay no nidina an-tsehatra nanao ny fanadiovana ny alan’Andriry any amin’ny distrikan’i Betroka ny zandary miampy an’ireo vata-miaramila avy amin’iny faritra iny.

 

Naharitra 30 andro ny hetsika. Dahalo 13 lahy no fantatra fa maty voatifitra tao anatin’izay fotoana izay ary nisy tamin’ny fitaovam-piadina nampiasan’izy ireo ihany koa no tra-tehaka.

Nitohy ny hazalambo ireo dahalo any amin’ny distrikan’i Betroka taorian’ny fifampitifirana nahery vaika ka nahafatesana mpitandro ny filaminana telo iray volana lasa izay. Andro maromaro lasa teo kosa no tonga tany Betroka  ireo mpitandro ny filaminana avy aty Antananarivo hanampy ireo efa any an-toerana ka ireo faritra tsy mbola voafehy no tena niompanan’ny hetsika. Nisy hatrany ny fifandonana teo amin’ireo dahalo sy ny mpitandro ny filaminana indrindra any amin’ireo faritra izay tena misy ny zohy sy kizo fiheren’ny dahalo.

Nandritra izany dia dahalo 13 no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana. Basim-borona enina no tratra niaraka tamin’izy ireo. Dahalo miisa 77 ihany koa no voasambotra. Araka ny vaovao voaray dia saika tsy nanana karapanondrom-pirenena avokoa ny 71 tamin’ireo izay nalefa nody ihany rehefa vita ny fakana am-bavany azy ireo fa ny telo kosa no nahiditra am-ponja.

Mbola hitohy amin’iny herinandro ambony iny fisafoana hataon’ny mpitandro filaminana ka ankoatra ny zandary avy ao amin’ny kaompania Betroka hanatanteraka izany dia mbola hisy fokonolona miisa 500 mpiray dinan’i Mangoky ihany koa hanampy isa azy ireo.

 Tiavina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles