
Birakoyé, na fantatra amin’ny hoe B. Tsy Malagasy izy fa teratany malianina, mpiangaly ny zavamaneno ravaka sy ny karazan’amponga. Izy irery koa no vahiny ao anatin’ilay tarika Social Fusion. Fantatra fa nodimandry ity mpanakanto ity, araka ny vaovao nozarain’ny mpikarakara ny « Madajazzcar » tao amin’ny pejy « Facebook », omaly.
Mpanakanto tsy vaovao ho an’ny mpankafy mozika eto Madagasikara mantsy i B, izay efa nandray anjara tamin’ny « Madajazzcar 2007 » niaraka tamin’ny tarika Social Fusion tamin’izao fotoana izao. Mbola nandalo teto izy tamin’ny taon-dasa, nandritra ny « Libertalia Music Festival », ka nisy ny seho notontosain’ny tarika teny amin’ny Jao’s Pub, ohatra.
Raha tsiahivina, mbola kely dia efa mpilalao karazan’amponga i B. Anisan’ireo voalohany tafiditra tao anatin’ny « Ballet national dy Mali » izy, ary miavaka amin’ilay hakingany milalao amponga. Tafahaona tamin’ireo mpanakanto malagasy i B ny taona 2006, ka nitsiry ny hevitra hanangana tarika iray, hivoy ny « world music » sy hikatsaka ny tsena iraisam-pirenena. Tany am-boalohany, nandrafitra ny tarika i Tôty (gitara beso), Nicolas Vatomanga (sax), Seta (sax), Silo (vata maroafitsoka), Nini (amponga maroanaka), Hajazz (gitara) ary i B. Noho ny fahasahiranany, tsy afaka nanohy ny tetikasa i Hajazz sy Seta. Niditra nanatevina ny tarika kosa i Thominot, lehiben’ny tarika Hazolahy. Niovaova teo ny mpikambana, satria nandray an’i Fanaiky (gitara beso) sy Jimmy (amponga maroanaka) koa ny Social Fusion, taty aoriana. Efa nahavita rakikira, ary efa nitety « Festivals » maro ny Social Fusion.
Zo ny Aina
Cet article Tarika Social Fusion : nodimandry i B est apparu en premier sur NewsMada.