Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Andohatapenaka : traboina 3 200 omena sakafo mahavelona isan’andro

$
0
0
traboina

 Nijery ifotony ny fandaminana ny fandraisana an-tanana ny traboina eny Andohatapenaka ny mpanao gazety, niaraka amin’ny mpiandraikitra ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo (ONN), omaly hariva. Misahana ny sakafo manokana ny ONN isan’andro. Sakafo ara-pahasalamana sy miovaova mahasahana ny filana ho an’ny vatana no atolotra ho an’ny ankizy sy ny lehibe. Indroa miantoana ny fizarana isan’andro ka tsy latsaky ny 3 200 ny fatra tsinjaraina satria mitombo isan’andro ny isa. Amin’ny 10 ora maraina, omena koba nohatsairana ny traboina, vary sy laoka kosa amin’ny 4 ora hariva. « Nokendrena hitondra hery ho an’ny traboina ny sakafo nefa kosa fanampiana ihany izany », hoy ny tomponandraikitry ny ONN.

Mahandro sy mikarakara ny sakafo ny mpanentana avy amin’ny Croix-rouge malagasy sy ny ONN. Isaina isaky ny hariva ny traboina rehefa tonga avokoa ireo mbola mitady vola amin’ny antoandro. Vao maraina, avoaka ny tahirin-tsakafo ilaina ho an’ny tontolo andro. Toy izay hatrany ny fandaminana.

Samy manana andraikitra eo avokoa ny kaominina Antananarivo Renivohitra, BNGRC, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eo Andohatapenaka, ONN. Voakarakara avokoa ny fahasalamana, fidiovana, fandaminana amin’ny ankapobeny.

Miezaka manao izay mampirindra ny fiarahamonina ny mpiray tranolay satria voina no atrehina. Tsy maintsy misy hatrany anefa ny olana madinidinika amin’ny fitambarana toerana eo amin’ny olona marobe ka izay no andraikitry ny vondrona samihafa mandamina.

Vonjy

Cet article Andohatapenaka : traboina 3 200 omena sakafo mahavelona isan’andro est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles