Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Inspecteur Général Randimbisoa Blaise : «Tsy andeferana ny mpitandro filaminana mandika lalàna»

$
0
0
polisy

 Nilaza ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général Randimbisoa Blaise, fa tsy handefitra mihitsy amin’ny mpitandro filaminana mandika lalàna. Tsikaritra ihany izany tamin’ny fisamboran’ny polisy ireo zandarin’ny GSis tafiditra tamin’ny raharaha asan-jiolahy sy « kidnapping » tany Toamasina. Voalaza koa anefa fa nisy ny polisy nosamborina noho ny fandikan-dalàna ihany koa ary efa mizaka ny vokatry ny nataony izy io.

Azo ambara fa nahafa-po ny polisim-pirenena ihany koa ny vokatry ny asan’izy ireo, nanoloana ny asan-jiolahy. «Nahitam-bokany avokoa ny ezaky ny polisy, toy ny tamin’ny nahatrarana ny namono an’Itompokolahy Rakotovao Andry, ny resaka « kidnapping » tany Toliara. Efa vita avokoa ny famotorana ireo, hatramin’ny famerenana ny zava-nitranga », hoy ny filazana.

Nambaran’ny minisitra fa misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany amin’ny fahatrarana ireo teratany irakianina nitondra pasipaoro hosoka teny Ivato. Voalaza fa nahatratra 180 ny isan’ny pasipaoro sandoka sarona, izay an’ny teratany italianina no maro tamin’ireo. Hatramin’ny taratasy filazana mombamomba no feno hosoka. Nanisy teny ihany koa ny minisitra manolona ny fiparitaha’ny fitaovam-piadiana, nilaza fa mandeha ny ady amin’ny fiparitahan’izy io. “Matetika, mitovy avokoa ny bala sy basy ampiasain’ny jiolahy. Efa tapaka ny vodina Kalachnikov ary voakiky ny laharana amin’ny bala. Mampanano sarotra amin’ny fikarohana izany”, hoy ny fanazavana.

Yves S.

Cet article Inspecteur Général Randimbisoa Blaise : «Tsy andeferana ny mpitandro filaminana mandika lalàna» est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles