Notazonin’ireo dahalo ary tsy nomen’izy ireo mihitsy ny fatin’ny sefom-pokontany ao Bemagnily, kaominina Ankalalobe Belo sur Tsiribihina nandritra ny fanafihan-dahalo ny herinandro teo. Novonoin’ny dahalo ity sefom-pokontany ity satria noheverin’ireo dahalo fa nitondra mpanara-dia, raha ny tatitra avy amin’ny zandary. Nitsoaka ireo dahalo nony tonga ny zandary sy ny mpanara-dia. Dahalo roa no indray maty voatifitry ny zandary. Basim-borona Baikal Calibre 12 n°130.044.83 no tratra.
Trano bozaka telo indray kilan’ny afo tao Antaninarenina Toliara I ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa zaza nandrehitra afo no nahatonga ny loza. Tsy tao an-trano ny reniny tamin’io fotoana io. Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa entana vitsivitsy tao an-trano no kilan’ny afo. Nidina teny an-toerana ny zandary sy ny mpamonjy voina nanao fizahana.
Velon-taraina ireo mpandeha sasany fa misy amin’ireo resevera amin’ny zotra mpitatitra olona mandalo eny Anosibe no miray tsikombakomba amin’ny mpanendaka. Tsy manaiky fa miditra an-keriny ao anaty fiara ireo tontakely ka mijery avy hatrany ireo olona tian’izy ireo endahina. Mitondra faisana izay tratra.
Na eo aza ny laminasa napetraky ny zandary amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny Anosizato, mbola miverina tapa-dalana eo Anosizato ihany ny taxi-be zotra 140 fa tsy tonga hatrany Ampitatafika izay mahavelon-taraina ireo olona, indrindra fa ireo mpianatra. Lasa miampita taxi-be indroa ny olona.