Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Herisetra : olona 3 maty voatsatoka zava-maranitra

$
0
0

  Nahitana fatin’olona vokatry ny zava-maranitra teny Anosizato, Itaosy ary 67 Ha ny faran’ny herinandro teo. Teny Anosizato, tovolahy manodidina ny 30 taona no maty tsy tra-drano taorian’ny tsindron’antsy nahazo azy. Telo lahy notompon’antoka tamin’izany saingy nirifatra nandositra izy ireo rehefa hitany fa lavo tamin’ny tany ny olona novonoiny. Ireo mpandalo nahita azy efa mihoson-dra amin’ny tany no nampandre ny zandary. Mbola hita tao an-damosin’ity tovolahy ity ny antsy nanindronana azy. Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny anton’izao vonoan’olona izao.

 Mpianatra voatsindrona antsy

 Ny harivan’ny zoma teo, tao amin’ny kaomina Bemasoandro Itaosy dia mpianatra ao amin’ny LMA no nisy nanindrona antsy teo amin’ny fony. Hasarota-piaro no nahatonga ny olana. Hitan’ity tovolahy ity niaraka tamin’ny lehilahy hafa izay mbola mpianatra ihany koa ny sipany. Nifamaly izy ireo ka raikitra ny savorovo. Dimy lahy no nifandramatra tamin’io fotoana io. Nandray antsy ny iray tamin’izy ireo ka notsindrominy teo amin’ny manandrify ny fony ilay mpianatry ny LMA.

Nentina teny amin’ny hopitaly Itaosy izy kanefa noho ny fahaverezan-dra be loatra dia tsy avotra intsony ny ainy. Ireo tovolahy niady taminy kosa dia nitsoaka. Roa ihany aloha no mbola voasambotra tamin’izy ireo fa ny iray izay tompon’antoka tamin’ny famonoana kosa dia voalaza fa namono tena rehefa naheno fa maty ilay notsindrominy.

Teny 67 Ha, mpifakatia ihany koa no niady ka rehefa tsy nahatsindry fo ilay tovovavy dia notsindroniny tamin’ireny vy maranitra fitonoana hena ireny ny tratran’ity tovolahy sakaizany. Nijinika ny ra avy eo. Nitsoaka ilay vehivavy ka tsy hita izay nalehany. Ilay lehilahy kosa dia namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly.

 Tiavina

Cet article Herisetra : olona 3 maty voatsatoka zava-maranitra est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Trending Articles