Navoakan’ny rano tamin’ny zoma hariva teo ny fatin’ilay tovolahy namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana niseho tetsy amin’ny ranon’Ikopa (Hazoberavina Tanjombato) andro vitsivitsy lasa izay. Olona efatra no tao anatin’ny fiara kely iray izay nitsoraka tany anaty rano. Avotra soa aman-tsara ny telo tamin’izy ireo ny andro nitrangan’ny loza fa ny iray kosa tsy hita izay nanjavonany. Nanao izay ho afany tamin’ny fikarohana ny mpamonjy voina saingy niala maina. Ireo mponina eny an-toerana sy ireo efa za-drano ihany no nahita azy. Araka ny fanazavana dia zava-pisotro « Coca-cola » no nangatahin’ireto zana-drano ireto hararaka teo amin’ilay faritra nitrangan’ny loza. Notanterahin’ny fianakavian’ilay tovolahy namoy ny ainy io ka fotoana fohy taorian’ny nanaovana izany dia nipoitra moramora teo ambony rano ny nofomangatsiakan’ilay tovolahy. Efa simba ny vatany manontolo ka somary nanahirana ny mponina ihany ny nampiakatra azy an-tanety. Fa ankoatra izay dia zazalahy kely vao 12 taona nilomano niaraka tamin’ny namany no natelin’ny ranon’Ikopa etsy Tanjombato omaly maraina. Naharitra ny fitadivana azy ka ireo mponina eny an-toerana ihany no nanao ny fikarohana. Tonga teny an-toerana ihany ny mpamonjy voina saingy efa tafakatra an-tanety ny razana vao tonga izy ireo.
Tiavina
Cet article Tanjombato : navoakan’ny rano ilay olona tsy hita est apparu en premier sur NewsMada.