Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Fampanofana fiara : very ny 4×4, naratra mafy ny mpamily

$
0
0

 Mirongatra izay tsy izy ny halatra fiara tato ho ato izay. Tsy afa-bela amin’izy ireny ny mpampanofa fiara.

 

Ny asabotsy teo, ramatoa iray sy ny zanany kely amam-bolana, no niantso mpandraharaha iray mpampanofa fiara eny Ankadikely Ilafy. Nilaza ny hitsena olona eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato izy ka mila fiara 4×4. Nambaran’ilay ramatoa fa tsy haharitra ela fa ora vitsivitsy ihany no ilany ny fiara.

 Tsy nanana ahiahy ilay mpampanofa fiara ka rehefa vita ny resaka dia nomeny ilay ramatoa nitaiza kely ny fiara Toyota Prado, niaraka tamin’ny mpamiliny. Mbola nandeha naka olona teny akaikin’ny marais Masay izy ireo. Ny harivan’ny asabotsy, tsy nitranga ny mpamily sy ny fiara 4×4. Niezaka niantso ny mpamily ny tompon’ny fiara saingy tsy nahazo.

Ny laharana findain’ilay ramatoa nanaovana fifanarahana no nantsoin’ny tompona fiara. Rehefa nitady ny mpamily mba hiresaka aminy ny tompon’ny fiara dia nilaza ilay ramatoa fa tsy eo izy fa nivoaka ny fiara. Tapaka ny fifandraisana avy eo ka na niezaka niantso aza ny tompon’ilay fiara taorian’izay dia efa tsy nandeha intsony ny findain’ilay ramatoa.

 Naratra mafy

 Niandry nandritry ny alina manontolo ny tompon’ny fiara saingy tsy nipoitra mihitsy ilay mpamily. Nampandre ny mpitandro ny filaminana mikasika ny zava-nitranga rehetra ilay tompon’ny fiara iny alina iny ihany. Nahitam-bokany izany ka omaly maraina dia nahazo antso an-tariby ny mpitandro ny filaminana eny Ankadikely Ilafy fa misy lehilahy lehilahy maratra mafy hitan’ny olona teny Ambohijanaka ary efa naterina ao amin’ny CSB Andoharanofotsy. Fantatra taorian’izay fa ilay mpamily ity maratra mafy hita ity. Naratra eo amin’ny lohany sy eo amin’ny lohaliny izy. Ilay Toyota Prado kosa tsy hita izay nanjavonany.

Tiavina.

Cet article Fampanofana fiara : very ny 4×4, naratra mafy ny mpamily est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles