Natao teny Vontovorona ny fivoriamben’ireo mpanabe ao anatin’ny klioba Cnaps Zandriolona, avy any amin’ny faritra 15 eto amin’ny Nosy, ny herinandro lasa teo. Fotoana nentina hanatsarana ny fiainan’ny klioba sahanin’ireo mpanabe, ka anisan’ny tinapaka ny hananganana ivo-toeram-panabeazana sy fialamboly isam-paritra. Eo koa ny fanamboarana zezika, ahitana toeram-pivoahana sy fidiovana, famoahana toro-lalana ho an’ny mpianatra eny […]
↧