
Fivoahana ivelan’i Madagasikara voalohany, ho an’ny tarika Nina’s. Vaovao lehibe, araka izany, satria porofon’ny fananan’ny tarika ny toerany eo amin’ny tontolon’ny mozika ny nahazoany fifanarahana hanao fampisehoana maromaro any Frantsa. Nanainga omaly i Nina’s sy ny tariny, ka hatreto aloha, seho enina no efa nahavitana fifanarahana. « Miankina amin’izay hiseho any an-toerana indray ny mety hisian’ny seho fanampiny. Fivoahana voalohany ity ho an’ny tarika, fa izaho kosa efa nandalo tany Frantsa ihany ny taona 2012, noho ny fianarana momba ny loza voajanahary niaraka tamin’ny Pnud sy ny COI », hoy ny fanamarihan’i Nina’s.
Tsy izy irery, araka izany, no handeha fa tena ny tarika iray manontolo mihitsy. Misy 10 izy ireo, ka anisan’izany ireo mpitendry niaraka taminy hatramin’izay toa an’i Marolahy (gitara), Patrick( gitara beso), Mister (vata maroafitsoka), Ruffin (amponga maroanaka), sns. « Efa nisy ny seho nataoko tany La Réunion ny volana febroary lasa teo, ka natao « play back » izany. Tena sahirana aho ary tsapako be ny fahabangana tsy misy ireo mpitendry ireo. Antony iray tsy maintsy iarahan’ny tarika izany », hoy hatrany ny fanazavan’ity mpanakanto ity.
Hanolotra ny rakikira « Best of » ho an’ireo mpiray tanindrazana any an-toerana i Nina’s mandritra io fivoahany io. Ahitana ireo hira taloha ao anatin’ny rakikira voalohany sy ireo hira vaovao izany.
Ho an’ny eto an-toerana, ny 1 mey ny fotoana manaraka eny amin’ny Jao’s Pub Ambohipo. Amin’ny alatsinain’ny Pentekôty kosa ny seho goavana, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe.
Zo ny Ainaa
Cet article Hanao seho enina : lasa any Frantsa i Nina’s est apparu en premier sur NewsMada.