
Efa natsidika teto fa hafakely ity tantara an-kira iray ity. Ny tena marina aza, tsy tantara an-kira fotsiny, fa fampiarahana karazan-javakanto maro amina sehatra sy fotoana iray ny « Li Te Ve War ». Raha adika tsotsotra, « te ahita izy ». Te ahita sy te ahalala ny fototra nipoirana, satria tantaran-jazavavy safiotra iray, mitady ny maha izy azy izy ity.
« Zava-dehibe aminay ny hampiseho azy ity eto Madagasikara, satria saika eto ny fototra nipoirana, na ara-pihaviana na ara-kolontsaina, ho an’ireo Nosy manodidina aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina », hoy ny nambaran’ny mpandrindra an-tsehatra, omaly, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Hotel Le Louvres Antaninarenina.
Efa tonga avokoa ireo mpanakanto avy amin’ireo Nosy manodidina handray anjara, toa an-dry Davy Sicard (La Réunion), Linzy Bacbotte (Maurice), Patrick Victor (Seychelles)… Samy nitanisa ny fihaviany, izay misy fototra avy aty Madagasikara avokoa ireo mpanakanto ireo.
Lapan’ny Fanatanjahantena indray
Saika hotontosaina tetsy Antsahamanitra ny seho tamin’ny voalohany. Noho ny fahatahorana ny toetr’andro kosa, navadika etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena izany, rahampitso amin’ny 7 ora hariva.
Ankoatra ireo mpanakanto vahiny, hisolo tena an’i Madagasikara i Jaojoby sy Rajery, miaraka amin’ireo ankizy maromaro hanao feo lafika. Efa imbetsaka no naseho tany amin’ireo nosy manodidina ny « Li Te Ve War », saingy izao vao anjaran’ny eto Madagasikara. Marihina fa niainga tamin’ilay hira « Mon pei » an’i David Sicard, izay miresaka ny fifangaroan’ny olombelona ka nahatonga ireo mponina ao La Réunion izy ity.
Zo ny Aina
Cet article Tantara an-kira : fototra i Madagasikara, anatin’ny « Li Te Ve War » est apparu en premier sur NewsMada.