
Na eo aza ny fanenjehana sy fanasoketana na koa fitsikerana. Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ireo delegasiona fa hitohy hatrany ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM.
Tsy miverin-dalana. “Tsy mihevitra ny hampijanona ny dingana efa nataony amin’ny fampihavanam-pirenena ny FFKM. Mitohy hatrany izany ary tsy hanavahana ny rehetra ”, hoy ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, Randriamandrato Ihanta, omaly raha nanontaniana an-telefaonina. Nohamafisin’ny loharanom-baovao avy amin’ny FFKM rahateo izany.
Tsy vitan’izany, mbola misokatra ho an’ny rehetra te handray anjara ny dinika sy ny fihaonambem-pirenena tokony hatao amin’ny faran’ny volana marsa ho avy izao.
Momba ireo filoha roa, nisintaka kosa, nambaran’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana fa efa mandeha ny fifampiraharahana. “Efa manao ny dingana rehetra momba izany ny filoham-piangonana”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa tokony ho vita tamin’ity herinandro ity ny fandravonana ny fehinkevitra niainga tamin’ny fakan-kevitra teny anivon’ny faritra tamin’ny herinandro lasa teo.
Samy nanana ny heviny ireo mpizaika isam-paritra. Anisan’ny nisongadina kosa, ny hanitsiana ny lalàmpanorenana. Ao koa ireo mihevitra fa tokony haverina ny faritany mizaka tena na koa ny rafitra federalisma…
Na izany aza, tsy mbola nahavita ny fihaonambem-paritra momba ny fampihavanana ny any amin’ny faritra Betsiboka sy ny any Menabe noho ny toetry ny andro sy ny olana samihafa.
Inoana fa mbola hitondra fanazavana amin’ny antsipiriany momba ny dingan’ny fampihavanana ny FFKM.
Synèse R.
Cet article Fampihavanan’ny FFKM : mbola misokatra ho an’ny rehetra ny fihaonambem-pirenena est apparu en premier sur NewsMada.