Fakana bahana hiatrehana ny fifidianana ? Nirarakompana ny fanesorana sy fanoloana tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha, ny ankamaroan’ireo lehiben’ny faritra. Miisa 14 ireo lehiben’ny faritra vaovao na naverina amin’ny toerany.
Anisan’ny mbola hanohy ny asany ny lehiben’ny faritra Analamanga, Randriambololona Mananjara.
Fa anisan’ny voatendry amin’izany toerana izany kosa ho an’ny faritra Matsiatra Ambony, Andriamandavy Rina. Anisan’ny nahalalana azy ny tsy fitengenany soavaly maty. Efa mpitarika tanora Tim, niara-dia amin’ny TGV ary nitarika ny tanora HVM indray izao farany, nialoha ny nanendrena azy izao. Efa minisitry ny Fizahantany koa ny tenany tamin’ny andron’ny Tetezamita.
Efa tapaka ny tadim-poitra tamin’ny Tetezamita
Ankoatra izany, notendren-dRajoelina tamin’ny andron’ny Tetezamita avokoa ny maro amin’ireo ka izao nesorina izao. Efa notapahin’ny mpitondra rahateo ny tadim-poitra nifamatorany tamin’ireo mpitondra teo aloha.
Hiroso amin’ny fifidianana tsy ho ela isika ka efa mijery lavitra ny amin’izany ny antokoben’ny fitondrana, HVM.
Tsy ahitana taratra ny fanovana eo amin’ny fanaovana politika anefa izany satria efa nataon’ireo mpitondra nifandimby rehetra.
Synèse R.
Cet article Fanoloana ny lehiben’ny faritra : nametraka ny olony eny amin’ny faritra ny HVM est apparu en premier sur NewsMada.