
Ho fampiharana ny fianarana norantovina, nanolotra paompin-drano ho an’ny fokontany Ankasina ny mpianatra sivy mirahavavy manaraka ny lalam-piofanana Comptabilité administrative, ao amin’ny Inscae. Natolotra omaly ny fokontany io toerana io, izay nandray an-tanana tamin’ny fanamboarana izany ireo mpianatra. Nitohy tamin’ny fanentanana ny mpianatra madinika amin’ny fomba fanasana tanana sy fikajiana ny tontolo iainana tao amin’ny sekoly katolika Ankasina izy sivy mirahavavy.
“Fahitana fa tsy ampy ny rano madio eny amin’ny faritra Ankasina, ka mba hanampiana ny mponina mba hananan’ny olona rano fisotro madio no anton’ny nanomezana ny paompin-drano”, hoy ny fanazavana. “Fizarana asa, fandraisana andraikitra ary fikaroham-bahaolana manoloana ny toe-javatra iray, ahafantarana ny fikarakarana sy ny fifandraisana rehetra manodidina ny asa ny fampiharana toy izao”, hoy Rakotoarisoa Mialy. Vola am-paosy sy avy amin’ny mpanohana no nanatanterahan’ireto mpianatra ireto ny tetikasa.
Yves S.
Cet article Inscae : nanao fampiharana ny mpianatra est apparu en premier sur NewsMada.