Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Tena loza ity

$
0
0
indraim-bava

 Loza iray, loza roa, loza telo. Fomba fiteny andavanandro izany rehefa sendra ny antambo misesisesy, eo amin’ny fiainana. Tsy mba loza telo intsony nefa no mitranga ankehitriny, fa efa loza marobe, mila tsy ho voatanisan’ny rantsan-tanana intsony. Haintany, rava trano, fihotsahan’ny tany, kere, rano miakatra, tsy fandriampahalemana, lalana simba, fako misavovona, aretina samihafa. Tena loza mihitsy ity e!

Vokany, betsaka ny maty nefa tsy tany miady, tsy basy mipoaka. Maro ireo traboina, efa mananika ny iray hetsy. “Tsy mbola nisy ohatra ity hatramin’izay niainana”.

Ny tena goavana, tsy mifidy asiana mihitsy ny loza mandalo eto Madagasikara fa fafazany avokoa na ny manan-katao na ny sahirana na lahy na vavy na antitra na tanora, eny fa na ireo ankizy sy ny zaza menavava aza, samy tra-doza avokoa. Tena loza tokoa izany.

Tsy misy izay tsy mimenomenona ary tsy misy izay tsy midradradradra. Fitarainana sy tomany no heno, tsy eny ambany tanàna, tsy eny ambony tanàna fa andrenesana izany avokoa, manerana ny faritra rehetra.

Manoloana izany, tsy mbola manana vahaolana maharitra hanoherana na hialana amin’izany ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Fanafana vetivety sy miserana ihany fa tsy maharitra ny hany mba hita aloha hatreto. Toa mitavozavoza be amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpitantana eto amin’ny firenena, hany ka tsy matoky azy ireo intsony ny ambanilanitra.

Dia samy mandeha samy mitady izany, hatreto, ny mpitondra sy ny entina. Ny mpitondra, manao izay hifikirana amin’ny toerany fotsiny. Ny vahoaka, etsy andaniny, mangirifirin’ny hanoanana, mangetaheta fandriampahalemana, tsy mahalala afa-tsy izay hahavoky ny tenany sy hanavotana ny ainy, amin’ny fomba rehetra, na mety na tsy mety. Tena loza be ity fa vonjeo re ry Andriamanitra ô!

 Randriamamonjy Torcelin

Cet article Tena loza ity est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles