« Hita fa mitady ho ratsy satria mitady hivadika resaka politika ny fitakiana ataon’ireo mpitokona eo anivon’ny mpirakidraharaha sy ny fananan-tany. Noho izany, nisafidy ny hangina ny Hafari Malagasy », hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly teny Anosizato. Tapitra anio tokoa, araka izany, ilay 48 ora nomen’ny fikambanana ny mpirakidraharaha. Manoloana izany, nofoanana tamin’ny ora farany ilay hetsika saika hataon’izy ireo teny Anosy. « Tsy manana olana amin’ny mpirakidraharaha mihitsy ny Hafari. Mba hialana amin’ireo mpanararaotra amin’ny hetsika fitakiana toy izao no antony nanafoananay izany. Efa nandefa taratasy fialan-tsiny tany amin’ny mpirakidraharaha rahateo izahay », hoy hatrany izy.
Nilaza izy fa olona anarivony no efa vonona saika ho eny Anosy anio. Nanamafy hatrany ity filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona ity fa hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka izay efa fanaony hatramin’izay izy ireo.
J.C
Cet article Hafari : tsy manana olana amin’ny mpirakidraharaha est apparu en premier sur NewsMada.