Niato ny fampianarana teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly tontolo andro. Satria fanairana ihany no natao, hiverina hiasa ny mpampianatra anio.
Fototry ny olana, namoaka fanambarana ny fanjakana ny volana janoary lasa teo milaza fa tsy iantohan’ny fanjakana intsony ny fitazonana am-perinasa ny mpiasam-panjakana rehefa tonga ny 60 taona hisotroana ronono. Indraindray anefa, mangataka amin’ny fanjakana ny mpiasam-panjakana hanohy ny asany noho ny traikefany mbola ilaina, amin’ny tranga sasany ny fitondrana mihitsy no miangavy ilay olona hanohy ny andraikiny ao anatin’ny fotoana voafetra. Ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversite anefa azo tazonina hampianatra hatramin’ny 70 taona. Sata manokana iraisan’i Madagasikara amin’ny firenena maro izany. Mangataka fanazavana momba io fanambarana io ny Seces raha mahakasika na tsia ny mpampianatra mpikaroka ny filazana. Efa nihaona tamin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ny solontenan’ny Seces, ny alatsinainy teo, ka miandry ny valin-teny mazava, hoy ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny Seces, Raniriharinosy Harimanana.
Ankoatra izay, mbola mangataka ny hampiharana ny lalàna efa nivoaka ny filohan’ny Seces momba ny decrét telo. Singanina amin’izany ny tokony mbola handraisan’ny mpampianatra mpikaroka ny tambin’ny fikarohana ataony na efa lasa nisotro ronono aza izy ireo. Eo koa ny fanamboarana ny mari-karama satria ambany loatra ny an’ny mpampianatra raha mitaha amin’ny mpitsara sy ny mpitandro filaminana.
Mbola nohamafisiny koa ny tokony hampitoviana ny daty fidiran’ny fakiolte sy ny departemanta rehetra ao anatin’ny Oniversite iray ary mila mitovy avokoa izany ho an’ny Oniversite enina misy.
Vonjy
Cet article Miandry fanazavana ny Seces : niato ny fampianarana teny Ankatso est apparu en premier sur NewsMada.