Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Rakotoamboa Jean-Louis : « Hametraka ny fototra demokratika ny fampihavanam-pirenena »

$
0
0
Rakotoamboa

 Miroso ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena, tarihin’ny FFKM. Inona ny antenaina sy andrasana? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis: « Andrasana amin’ny fampihavanam-pirenena ny fametrahana ny fototry ny demokrasia. » Dinidinika…

 

Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao?  

 

Rakotoamboa Jean-Louis (-): Mbola tena ao anatin’ny krizy… Krizy ara-pitantanana sy ara-toekarena, fa hiditra amin’ny tena vidin-javatra isika izao. Vao mainka ho henjana io. Marina, nidina kely ny vidin-tsolika. Na izany aza, tsy izay ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Efa tokony ho nidina ambany be io.

Mihakororosy fahana hatrany ny fiainam-bahoaka; ny toekarentsika, mihamilentika amin’izao fotoana izao. Mbola ao anatina krizy isika. Tsy krizy politika be mankaiza izany, fa krizim-pitantanana sy toekarena.

* Inona ny tokony ho laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana amin’izany?

- Be ny laharam-pahamehana. Ny mampalahelo: be ny fanehoam-piniavana hanao zavatra, fa tsy misy asa iombonana ny governemanta. Ny ilain’ny firenena amin’izao fotoana izao, ekipa mahalala sy mahay tsara ny hoe: inona ny olana? Ahitana vahaolana mifanaraka aminy avy hatrany izany.

Fa tsy ekipa tsimponina etsy sy eroa… Eo amin’ny fitondrana vao hoe: hay izao ny olana! Ahoana ny vahaolana hamahana izany haingana? Be ny laharam-pahamehana eto amintsika, fa tsy misy voavaha araka ny tokony ho izy.

* Aiza ho aiza ny hoe fanjakana tan-dalàna amin’izao fotoana izao?

- Sarotra ny mino amin’izao hoe tan-dalàna ny fanjakana. Ny lalàna lah. 2011-02, tamin’ny 18 aogositra 2011, mifehy ny antoko politika, ohatra: ao amin’ny tondrozotra, tamin’ny 16 septambra 2011, izay navadika ho lalàna velona eto amin’ny firenena, ny 12 febroary 2012,

milaza fa tokony haverina jerena ny lalàna mifehy ny antoko sy ny lalàna lah. 2011-013, tamin’ny 9 septambra 2011, momba ny satan’ny mpanohitra. Nefa ny ampiharina amin’izao, lalàna talohan’ny tondrozotra: efa lany andro, namboarin’ny mpanongam-panjakana. Ny dikan’izany, tsy manara-dalàna isika.

Be ny tsy ara-dalàna eto amintsika… Fototr’izany, ny lalàmpanorenana tsy mety. Efa niainana tamin’ny andron’ny Praiminisitra Ravony io fitondrana « semi-parlementaire » io. Raha ny tokony ho izy, nanana programa atolotra ny vahoaka ny fahefana mpanatanteraka. Tokony hanana ekipa izy hanatanteraka izany, indrindra ny lehibeny.

Ny eto amintsika, manana programa hotanterahina ny filohan’ny Repoblika. Nefa ny Antenimiera no manolotra lehiben’ny ekipa hanatanteraka izany. Efa eo amin’ny fitantanana vao mamorona ny ekipany ny filohan’ny Repoblika.

Tsy mety izany. Efa nilaza ny Teza: tokony hanao fanorenana ifotony ny fanjakana sy ny repoblika isika, fa misy rafitra tsy mety eto. Miteraka olana izany, iverimberenan’ny krizy.

Tokony hipetraka tsara ny fototra demokratika: tena ifanarahana ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, teny ierana ny lalàna mifehy ny antoko politika sy ny satan’ny mpanohitra. Izay no ifampifehezana; amin’izay, mipetraka ny fifandimbiasan-toerana ara-pomba demokratika.

* Ary ny amin’ny fizotran’ny fampihavanana tarihin’ny FFKM?

- Mety amin’io, hanaovana ny fanorenana ifotony ny fanjakana sy ny repoblika. Ny olana eo amin’ny filoha dimy, azy ireo manokana. Anjaran’izy ireo ny mifanazava sy mifampiraharaha amin’izay hitan’izy ireo fa tsy mety.

Ny ilain’ny firenena: mipetraka ny fototra demokratika, teny ierana ny hanaovana azy. Ny mampalaheho, amin’ny fampihavanan’ny FFKM: somary maika loatra. Amin’ity volana marsa ity avokoa ny zava-drehetra. Mila adihevitra maharitra sy mitombina ao anatin’ny roa na telo taona io. Anjaran’ny filoha Rajaonarimampianina aloha ny mitantana ny firenena ao anatin’izay. Tsy mampaninona izany, araka izay fomba fitondrany.

Mila miady hevitra tsara ny firenena: toy inona ny lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana tena hifanarahana, manao ahoana ny lalàna momba ny antoko politika sy satan’ny mpanohitra? Mba hifanajana sy tsy ampiasan’ny any ivelany antoko politika, fa tena hikatsaka ny tombontsoam-pirenena. Andrasana amin’ny fampihavanam-pirenena ny hametraka ny fototry ny demokrasia. Ny atahorana, tsy ampy ny adihevitra fa maimaika loatra.

 Nangonin’i R. Nd.

Cet article Rakotoamboa Jean-Louis : « Hametraka ny fototra demokratika ny fampihavanam-pirenena » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles