
Nikarakara atrikasa mikasika ny tontolon’ny asa, indrindra ny tsy manara-penitra, omaly teto Antananarivo, ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Nandray anjara tao avokoa ny sehatra voakasika rehetra, ny avy amin’ny fanjakana, ny tsy miankina, ny fiarahamonina sivily, sns. Araka ny fanadihadiana nataon’ny OIT, mahatratra 263 ireo karazam-pihariana sokajina ho tsy manara-penitra eto Madagasikara. Anisan’izany ny asa tanana, ny trano fisakafoana madinika na fivarotana hani-masaka, ny fanamboarana fiarakodia, ny fivarotana tsakitsaky, ny fanaovana karaoke sy toeram-pialamboly samihafa, ny ozinina fanodinan-kazo ary indrindra ny varotra madinika sy/na amoron-dalana.
Anisan’ny nivoitra tamin’ny fanadihadiana koa ny mbola fisian’ny fanavakavahana eo amin’ny mpiasa lehilahy sy vehivavy eny anivon’ny toeram-piasana. Tsy mitovy ny karama omen’ny mpampiasa ny lahy miohatra amin’ny vavy na asa sy andraikitra mitovy aza no sahanina. Saika orinasa tantanin’ny teratany sinoa na aziatika no tena ahitana izany.
Njaka A.
Cet article OIT : miisa 263 ny asa tsy manara-penitra est apparu en premier sur NewsMada.