Nampahalala ny zava-bitany ny minisitry ny Asa vaventy, Ratsiraka Rolland, omaly teto Antananarivo. Nanatrika ny fotoana koa ny teknisianina avy amin’ny orinasa Colas, miampy ireo solombavambahoaka voafidy teto an-dRenivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, ary Ambohidratrimo. Tsy tonga kosa, ny avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) na nasaina aza. Mikasika ny haratsian-dalana eto an-dRenivohitra, nilaza ny minisitra Ratsiraka Rolland fa ny lalam-pirenena no tena sahanin’izy ireo. Anisan’izany ny fitohizan’ny fanarenana ny lalam-pirenena fahafito (RN-7), efa vita hatreo Ambohimahasoa, misy koa ny fanamboarana lalana mihotsaka eo Alakamisy Ambohimaha. Nisy koa ny fanarenana ny tetezana simba sy ny tany nihotsaka tany Miandrivazo (RN-34), sns.
Nambaran’ny minisitra koa fa tsy manakana azy ireo hanampy ny CUA izy ireo rehefa misy ny ilàna sy mahamety izany.
Manara-maso ny mpamatsy vola vahiny
Mikasika ny loharanom-bola, « efa vonona hamatsy vola ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) sy ny Vondrona eoropeanina (UE). Tsy maintsy mila fahamatorana ny zava-drehetra atao, mialoha ny hivoahan’ny vola satria manara-maso ny fomba fitantanana izy ireo », hoy ihany ny minisitra. Nambarany koa fa mahatratra 12.000 km ny lalam-pirenena eto Madagasikara ka tsy maintsy mandeha arakaraka ny laharam-pahamehana satria tsy ho vita indray miaraka.
Nanazava ny teknisianina ao amin’ny Colas, fa mila atao matevina ny lalana raha tiana hateza. Sosona dimy no hatao raha heverina haharitra 10 taona, ohatra. Mila jerena koa ny lanjan’ny fiara hivezivezy amin’ny lalana, ny toetr’andro isan-toerana, sy ny lafiny ara-teknika samihafa.
Hanomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao ny fanarenana ny tany mihotsaka etsy amin’ny tonelina Ambanidia. Ho tapaka manomboka amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 6 ora maraina ny lalana. Haharitra roa volana ny asa.
Hikarohana vahaolana koa ny fivoahan’ny rano miteraka tondra-drano eto Antananarivo.
Njaka A. sy Njato H.
Cet article Ratsiraka Rolland : « Ny lalam-pirenena no tena sahanin’ny minisitera » est apparu en premier sur NewsMada.