
Nanao fanadihadiana sy famotorana momba ilay raharaha nidarohan’olona nitonona ho « zandary » ny mpamilin’ny Ultima Média, teny Andrainarivo, omaly, ny tao amin’ny borigadin’i Betongolo. Araka izany fanadihadiana izany, tsy zandary ilay nikasi-tanana. Voalaza fa tao anaty savorovoro ny raharaha ka nisy olona nanararaotra.
Tsy fantatra kosa anefa izay tanjon’ilay saika hanararaotra, na hanendaka na hangarom-paosy ao anaty savorovoro na zavatra hafa. Mateti-piavy rahateo ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto an-tanàna. Tsy mifidy fotoana hanaovan-dratsy ny sasany.
Vao tsy ela akory no nisy fanakanan-dalana tamin’ny vato amin’ny andro alina nataon’andian-jatovo teny Ankazomanga. Efa tratran’ny mpitandro filaminana ny sasany tamin’izy ireo.
Andro antoandro be aza, manendaka mpandeha anaty taksibe eny 67 Ha koa ny andian-jiolahy mirongo sabatra sy fitaovam-piadiana mandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Tsy milamina ny tany ka mihorohoro ny valalabemandry.
CM
Cet article Fidarohana mpamilin’ny Ultima Média : tsy zandary ilay nidaroka fa mpanararaotra est apparu en premier sur NewsMada.