
Hiteraka korontana ny tsy fankasitrahan’ny fianakavian’ireo mpivarotra omby roalahy maty, voatifitry ny jiolahy nanafika azy tany Beraketa tamin’ny herinandro teo, ny fihetsiky ny mpitandro filaminana, raha tsy andraisana fepetra haingana.
Voasambotra avokoa ny efa-dahy nandray anjara tamin’ny fanafihana sy ny mpaniraka azy, amin’izao fotoana izao, nefa niitatra any amin’ny tsy nampoizin’ny havan’ny maty ny raharaha. Ny fahatrarana lehilahy iray nahitana ny fitafiana sy vola ary ny basin’ny iray tamin’ireo mpivarotra omby novonoiny no nahasamborana ireo mpiray tetika taminy, roa andro monja taorian’ny fanafihana, araka ny tatitra voaray avy tany an-toerana. Vola 70 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy izay nitsotra fa nokaramaina 8 hetsy ariary isan’olona, hanatanteraka io asa ratsy io.
Nirongatra ny fianakaviana
Nampiahiahy ny fianakavian’ireo maty anefa ny fihetsiky ny mpitandro filaminana nisahana ny fanadihadiana ity raharaha ity ka nivononany hitaky ny marina. Noterena hamoaka ny taratasin’ny basin’ny maty izy ireo sady nolazaina fa mbola karohina ihany koa ilay basy efa heno fa tratra tany amin’ilay jiolahy voalohany. Fantatry ny fianakaviana koa fa 3 tapitrisa ariary ny vola tratra tany amin’io olon-dratsy io nefa latsak’izany no nambaran’ny mpitandro filaminana.
Nahatezitra azy ireo io heveriny ho fandrirarirana ny marina io ka nahatratra 70 lahy ny havan’ireto maty ireto, nirohotra avy tany Betroka nihazo an’i Beraketa, hatramin’ny alahady teo, hitaky ny marina. Nalefa any Ambovobe avy hatrany kosa ireo voasambotra, hisorohana izay mety hitranga, ary mitsoaka ireto andian’olona ireto ny nanao ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao, araka ny vaovao avy ao Beraketa. Mbola misy tonga hanampy an’ireo efa any an-toerana anefa, hatramin’izao, ny fianakavian’ireo maty ireo, hitaky ny mangarahara amin’ity raharaha ity.
Etsy an-daniny, nanapa-kevitra hampiato ny tsenan’omby ao Beraketa aloha ireo mpivarotra omby rehetra, ankehitriny, ho fiaraha-misalahy amin’ny fianakavian’ireo namany namoy ny ainy.
Manou
Cet article Mpivarotra omby voatifitra tao Beraketa : tezitra amin’ny mpitandro filaminana ny havany est apparu en premier sur NewsMada.