Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Kaominina Bemasoandro-Itaosy : miantso vonjy ny ben’ny tanàna

$
0
0
Photo 821

Ahiana hitombo isa hatrany ny tra-boina ao amin’ny kaominina Bemasoandro-Itaosy noho ny fitohizan’ny rotsak’orana.

Mihenahena tsy mety hidina ny rano amin’ny toerana maro ao amin’ity kaominina ity, araka ny fanambaran’ny ben’ny tanàna Rabefakatro Alphonse, ka tsy maintsy hitatra amin’ireo faritra mbola tsy tondraka ny fiakarany noho ny orana tsy mitsahatra. “Tokantrano 300 any ho any anefa no efa tsy manan-kialofana eny an-toerana, amin’izao fotoana izao, ka manahirana ny fandraisana azy noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa hampiasaina”, hoy ihany izy. “Tsy ampy ny trano lay tonga eny Bemasoandro-Itaosy ka voatery nampiantranoana tra-boina avokoa na biraom-pokontany na efitrano fianarana”, araka ny fanazavany.

Mety hamaha olana ny vondrom-bahoakam-paritra ny fanangonan’ny fanjakana ny tra-boina rehetra ho amin’ny toerana voatokana, nanomboka omaly. Nanao antso avo ho an’ny manana fahafahana hanao ihany anefa ny ben’ny tanànan’i Bemasoandro-Itaosy, Rabefakatro Alphonse, ny hanolorany tànana an’ireo tra-boina avy ao aminy. Fianakaviana sahirana amin’ny fiainana andavanandro, hoy izy, ny androan-tokon’ireo tra-pahavoazana ireo ka tsy manan-koraisina mihitsy vantany tsy afa-miasa. Sasa lamba sy fihadiana fasika any anaty rano rahateo no iveloman’ny ankabeazan’izy ireo ka tsy maintsy miato ny asany noho ny toetr’andro ratsy. Porofon’ny fahavoazana mafy mianjady amin’ireo tra-boina ireo, hoy ny ben’ny tanàna, ny ivarotany ny vilany fahandroany hanina, hividianana sakafo rehefa lany ny fanampiana zarain’ny kaominina sy ny fanjakana foibe mbamin’ireo fikambanana isan-tsikajiny.

Manou

Cet article Kaominina Bemasoandro-Itaosy : miantso vonjy ny ben’ny tanàna est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles