Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Ny SeFaFi sy ny vokatry ny andro ratsy : tsy misy afa-bela ireo mpitondra fanjakana

$
0
0

 Tsy misy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena. Nahazo fanakianana avy tamin’ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena (SeFaFi) daholo ny rehetra, raha tsy hiresaka afa-tsy ny fitantanana ny vokatry ny andro ratsy sy ny fihitsahana isika.

Tsy nijanona tamin’ny fanakianana politika fotsiny ny SeFaFi fa nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fiainam-piarahamonina ankapobeny. Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo tamin’ny fanambarana nalefany ho an’ny mpitondra isan’ambaratongany izy ireo, omaly.

 Aiza ny mpanatanteraka ?

 Miandry ny hafa hihetsika vao tazana ny fitondrana. « Nihetsika ny Vokovoko Mena, tsy mbola niasa mafy tahaka izany ny mpamonjy haintrano. Afa-tsy ilay fandehanana teny an-toerana nandrakotra ny filazam-baovao tamin’ny 28 febroary kosa dia saika tsy mba hita mihitsy ny fanjakana »,hoy ny SeFaFi. Alamindamin-dratsy eo ny fanampiana avy eo. Toa maro sahanina ny BNGRC nefa tsy tena mangarahara ny fiandraiketany ny seraserany sy ny lamin’asany, araka ny fanazavan’ny SeFaFi ihany.

Mitavozavoza manoloana ny hamehana ny tompon’andraikitra ka mimenomenona ny olona sy ny mpiara-miombona antoka samihafa. Vokany, nandray andraikitra ny olon-tsotra mba hamonjena ny tra-boina. Nohitsian’ny SeFaFi koa fa tsy dia nahery vaika firy ny loza voajanhary farany teo. Niandry fitarihana kely avy amin’ny olom-pirenena fotsiny ireo mpiara-miombona antoka rehetra ao amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena saingy tsy nisy izany.

Saingy misy zavatra hafa tsy voafehy. Niakatra ny vidin’ny zava-pihinana sy ilaina andavanandro. Ny antony, aman-jatona hekitara maro ny tanimboly sy ny tanimbary difotry ny rano. « Hafaliana ho an’ny matim-bola ny fisian’ ny loza voajanahary (tena nisy tokoa va re izany vary lo nafangaro tamin’ny vary vao izany dia natao anaty gony ary namidy teto an-drenivohitra ?). Toy izany koa ireo mpanodinkodina ny fanampiana, ary ny antoko na vondrona politika sasantsasany misarika mpifidy », hoy ihany ny SeFaFi.

« Tsy azon’ny mpitondra tsotsorina fotsiny amin’ny hoe « mbola tsy nisy oram-be tahaka ity », fialan-tsiny tsy mitombina izany », hoy ihany izy ireo.

 Fitaovana politika ny BNGRC

 Tsy afa-miala amin’ny toe-draharaha ry zareo mpitantana ny taraboina, izay eo ambany fahefan’ny minisiteran’ny Atitany. Idiran’ny politika mihitsy aza ny raharaha. « Aoka hoezahina ny haha matihanina sy tsy hidirana politika ny sampan-draharaha misahana ny loza sy ny antambo voajanahary mety hitranga », ny SeFaFi. Notsiahivin’izy ireo fa notendrena tamin’ny 17 oktobra 2014, tena teo an-katoky ny fotoanan’ny rivodoza mihitsy ny lehiben’ny BNGRC ankehitriny. « … Miharihary fa mason-tsivana politika no nampiasaina satria ilay teo alohany dia vao notendrena tamin’ny marsa 2013. Dia hahagaga ve raha toa ka ny drafitra fiomanana hita ao amin’ny tranonkalan’ny tamin’ny 2013-2014 no mbola hita ao ary mbola tsy voavoatra hatramin’izao ? », hoy ihany izy ireo.

 Iza no tsy nanara-dalàna ?

 Nahazo ny anjarany manokana ny Kaominin’Antananario Renivohitra (CUA). Nisy firaisana tsikombakomba sy kolikoly na izay mitovy lasitra amin’izany matoa nihabetsaka ireo nanao fanorenana tsy ara-dalàna teto an-toerana. « Mampihombo ny tondra-drano ny manorin-trano tsy ara-dalàna sy tsy azo antoka eny ambonin’ny lakandrano. Fa iza anefa ny tena tompon’andraikitra? Ny mpiasan’ny CUA nanome an-kamorana ny alàlana ahafaha-manorina, ny mpiasan’ny APIPA (Fahefana miaro ny lemak’Antananarivo amin’ny tondra-drano) nanaiky ny hanotofana ny faritra arovana, ny mpiasan’ny Fananan-tany nanao risoriso tamin’ny tanim-panjakana, ny orinasa nanao ny fanotofana an-tsokosoko », hoy ihany ny fanambarana. Novantanina kosa fa « ny voalohany indrindra dia ny ben’ny tanàna sy ny PDS nifandimby nitondra an’Antananarivo. Tsy lazaina intsony ny momba ireo manampahefana ambony nanaiky ny nanaovana izany na tena niray tsikombakomba mihitsy aza », hoy ihany ny SeFaFi.

Vokatr’izany rehetra izany, ny vahoaka sahirana ihany no mizaka ny vokany. Tsy ny fanaovana fanentanana lava iadiana amin’ny fahantrana no hanarina ny toe-draharaha fa mila drafitra matipaika sy fanoherana manara-drafitra nsy fenitra, ankoatra ny fanafaoanana tanteraka ny kolikoly sy fanesorana ny politika amin’ny fitantanana loza voajanahary.

 Zo. Ra.

Cet article Ny SeFaFi sy ny vokatry ny andro ratsy : tsy misy afa-bela ireo mpitondra fanjakana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles